Prize Money CHAN: Nampiakarina ho ny 60% ny anjaran’ny mpilalao sy ny mpanazatra .
Dépêche 10 mai, 11h, Andro maromaro izay no nifandrirotra tamin’ity valin-kasasaran’ny Barea A’ ity ny FMF sy ny mpilalao. Nisy ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta nikaroham-bahaolana hahafahana mahita ny marimaritra iraisana. Araka izany dia niakatra ho ny 60% tamin’ny vola avy amin’ny CAF no hatolotra ireo mpilalao sy ny mpanazatra. Ny ambiny kosa dia anjaran’ny FMF no mahita ny fitsinjarana izay tokony hahazo izany. Nifanarahana teo anatrehan’ny roa tonta izany indrindra teo amin’ireo mpilalao hoy ny fanambaran’ny avy ao amin’ny FMF. Teo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ihany koa no nanatanterahana ny fivoriana
