Dépêches

Faritra Analamanga : Tany Maurice no nanatanterahana ny team building ho an’ireo tompon’andraikitra

Fanasana azo avy amin’ireo mpiara miombon’antoka avy atsy Maurice no nahatanterahana izao atrik’asa izao. Nandritra ny 4 andro no nanatanterahana izany tany an-toerana ary ny governora sy ireo tompon’andraikitra maro no nanatanteraka azy. Niompana tanteraka tamin’ny resaka fambolem-bary, ny fiompiana trondro ary ny fanorenana, no natao tany, ary tsy ho ela dia hisy ny fiaraha-miasa hatao momba io sehatra io. Hitondra tombony ho an’ny faritra no antony nanaovana izany izay marihina fa tsy nisy volan’ny Faritra Analamanga nivoaka na kely aza.

Laisser un commentaire