Antotan’isa anio 26 mai 2021
28 May, 10h30. Nahitana fihenana hatrany ny antontan’isa amin’ny aretina covid-19 tao anatin’ny andro maromaro izay. Ho an’ny omaly 25 mai izao, 62 tamin’ireo 384 natao fitiliana no nahitana ny tsimok’aretina coronavirus. 240 ireo sitrana ary 7 kosa ireo namoy ny ainy. Mbola misy 475 ireo marary manaraka ny fitsaboana k any 212 ireo tranga misy fahasarotana avokoa. Hatramin’ny nidiran’ity valan’aretina ity, nahatratra 817 ireo efa namoy ny ainy hatreto.
