Toetr’andro: Manainga ireo ao amin’ny faritra ahatahorana hiala ny toerana ireo tompon’andraikitra
20 Janoary, 10h00. Hitohy hatramin’ny 23 janoary izao ny ritsak’orana noho ny tsiokan’ny talio araka ny mpamantatra ny toetry ny andro. Vinavinaina mbola ho betsaka ny rotsak’orana ary hihoatra ny 100mm/24ora any avaratra-andrefana sy afovoany andrefan’ny Nosy, Mangoro, amin’ny ilany atsimon’Analamanga ary ny ilany atsinanan’i Vakinankaratra.
Voasokajy ao amin’ny faritra mena kosa i Besalampy. Soalala, Mitsinjo, Marovoay, Mahajanga voalohany sy faharoa, Antanambao Manampotsy, Marolambo, Mahanoro, Andramasina, Ambatolampy, Vatomandry, Nosy Varika ary Anosibe An’ala.
Faritra mavo i Soanierana Ivongo, Vavatenina, Brickaville, Fenerive Est, Mananara Avaratra, Maroantsetra, Sainte Marie, Toamasina voalohany sy faharoa ary Moramanga.
Ary faritra maitso i Nosy-Be, Ambanja, Ambilobe ary Antsiranana voalohany sy faharoa.
Ahiana hisy kosa ny tondradrano, ny fihotsahan’ny tany ary ny fiangonan’ny rano ka manainga ireo olona voakasiky ny faritra atahorana ireo tompon’andraikitratra hiala ny toerana.
Azo antsoina amin’ny fotoana rehetra kosa ny laharana maintso 930 raha misy ny tranga mampiahiahy.
