Fanabeazana: Mitsahatra avokoa ny fampianarana amin’ireo faritra mavo sy mena
20 janoary, 09h00. Toerana manodidina ny 30 no voasokajy ao anatin’ny faritra mavo sy mena manerana ny nosy. Mbola hitohy ny firotsaky orana eto Madagasikara araka ny voalazan’ny BNGRC ka niantso ny fampiatoana ny fampianarana izy ireo.
Nandray fepetra ny Minisiteran’ny Fanabeazam-Pirenena manoloana izany fa ahato hatramin’ny 21 janoary 2022 izao ny mpianatra rehetra amin’ireo faritra ireo.
Voakasik’izany i Tsiafahy, Androhibe Antsahadinta, Bongatsara, Antanetikely Ambohijoky, Alatsinainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, Ampitatafika, Ambavahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Fiadanana, Ampangabe, la Haute Ville, vohitr’i Manjakamiadana sy ny manodidina, Antohomadinika III G Hangar, Ankorondrano Andranomahery, Ampefiloha Ambodirano, Ilanivato, Ampasika ; Anosibe An’Ala; Antanambao Manampotsy; Marolambo; Mahanoro; Andramasina; Ambatolampy ary Vatomandry.
