Dépêches

Ankatso : Nodiana avokoa ny vavahady miditra ao amin’ny Oniversite

02 Oktobra, Mitohy ary mihamafy hatrany ny fitokonana ataon’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra (SECES) sampana Antananarivo. Hatramin’ny maraina teo, nohidiana avokoa vavahady ary nohamafina ny tsy fahafahan’ny mpianatra miditra ny oniversite. Misy ireo mpianatra anefa no mihanika tamboho ao anatin’izany. Ny SECES moa dia efa nanamafy fa tsy hamerina ny fampianarana ary tsy hamoaka ny valin’ny fifaninanana hidiran’ny taona voalohany raha tsy mivaly ny fangatahan’izy ireo.

Laisser un commentaire