Hetsiky ny kandika ho filoham-pirenena: Hatsahatra ny hetsika ho an’ny anio 04 Oktobra
04 Oktobra, Nanapa-kevitra ny « Collectif des candidats” fa hanatsahatra ny fiaraha-mientana eny amin’ny Kianjan’ny 13 Mai anio 04 oktobra. Raha tsiahivina, nisy ny fihaonana nataon’ireo kandida ho filoham-pirenena 11 tamin’ireo ray amandrenin’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (FFKM) omaly hariva. Nangataka tamin’ny Kandida fotoana fohy handinihina sy hanatonana ireo ankolafin-kery hafa ny FFKM nandritra izany.
