ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: Voasazy ireo mpanimba ny fananana iombonana teny Antsofinondry

Tratra ireo mpitondra fiara minia manimba ny fananana iombonana eny amin’ny lalana Antsofinondry, kaominina Sabotsy Namehana. Tamin’ny faran’ny herinandro teo, voasambotry ny zandarimaria ireo roa lahy niaraka tamin’ny fiara mpanao izany, araka ny voalaza.

“Fiara miisa roa no nandona sy nanimba fananana iombonana teny Antsofinondry. Fiara voalohany dia marika Renault, nandona ny barrière noho ny hamamoan’ilay mpamily; ny fiara faharoa kosa dia marika Transit, izay nanimba ny fefy satria niditra an-keriny na tsy efa hita tsy antonona izany aza” hoy ny avy amin’ireo mpitandro filaminana.

“Niezaka niteny azy ireo ny olona izay nahita ny zava-nitranga teny an-toerana saingy norahonan’ireto farany ary nikasa handratra sy hikasi-tanana tamin’izany. Nandray fepetra avy hatrany kosa ny zandarimaria rehefa nahazo antso fitarainana. Vokany, voatazona vonjimaika avokoa na ny fiara na ireo mpamily azy” hoy hatrany ny fanazavana.

Anisan’ny mahasarotiny ny mponina ao an-toerana ny mahakasika ity barrière ity. Miasa tokoa izy io ho famerana ireo fiara mpivezivzey eny an-toerana. Misy araka izany ny fenitra tokony arahan’ireo mpampiasa azy.

Manitra R.

Laisser un commentaire