SocialTsidika

Ankadikely Ilafy : Tontosa ny hetsika fizarana kopia faobe

Nikarakara hetsika manokana fizarana kaopia faobe ny kaominina Ankadikely Ilafy tamin’ny herinandro. Olona manodidina ny 500 isa avy amin’ireo Fokontany 18 no nahazo tombony tamin’ity hetsika ity.

« Tsy vitsy tokoa ireo olona mbola tsy manana kopia eto amin’ny kaominina. Ho fitsinjovana sy hofanampiana azy ireo mihitsy no nanaovana izao hetsika izao » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija. « Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny Faritra Analamanga sy ny Distrika Avaradrano ary  ny OIF tamin’ny fanatanterahana izao hetsika izao. Hetsika efa fanao isan-taona ity ary mbola hotohizana hatrany » hoy hatrany ny avy ao amin’ny kaominina.

Nisaotra ireo niantsehatra sy ireo nanolo-tanana tamin’izao fizarana ny kaopia faobe izao ihany koa izy ireo. Ny fananana kopia ihany koa dia lalana ahafahana misitraka ireo zo maha olona.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire