Masindray: Fiara tsy mataho-dalana iray nilatsaka tao anaty rano
Fiara tsy mataho-dalana iray no latsaka tao amin’ny ranon’Ikopa, tamin’ny alatsinainy hariva teo, teny amin’ny kaominina Masindray. Avotra soa aman-tsara avokoa ireo olona efatra tao anatiny, raha ny voalaza.
“Tsy vao sambany no nisy fiara nilatsaka tahaka izao tety amin’ny faritra tety. Efa fanin-telony izao no nisehoan’izany tamin’ity taona ity. Tsy fantatra mazava izay tena antony fa raha ny fantratra hatramin’izay dia toerana malaza ho hitoerana fanahin-drano ety amin’ny manodidina” hoy i Saholy, mponina eny amin’ny manodidina.
“Ilaina foana ny fahamailona amin’ny fotoana izao. mety maro ny loza mety hiseho. Ireo mpitondra fiara sy moto tokony ahafehy tsara ny fitaovam-pitaterana entiny satria ny aina tsy hananam-piry” hoy i Andry, mpamily.
Araka ny lovan-tsofina, dia misy fanahin-drano manodidina ety amin’ny toerana ety, ary nomen’ny mponina ny anarana Dobon’izy telo lahy. Ankoatra ity fiara tsy mataho-dalana ity, dia ny fiandohan’ity taona ity ihany koa no efa nisy fiara fitateram-bahoaka latsaka teo, ankoatra izay, dia lehilahy iray koa no efa namoy ny ainy teo, izay nitondra tongo-droa.
