ActualitésTsidika

Alasora: Olona telo naratra mafy vokatry ny fipoahana gaz

Nisehoana loza tao amin’ny fokontany Ambohidrazaka, kaominina Alasora, ny harivan’ny alatsinainy teo. olona no telo no naratra mafy vokatry ny fipoahan’ny gaz, tao amin’ny garage ireo fandokoana fiara, araka ny voalaza.

“Mampalehelo raha ny zava-nitranga satria tsy nisy nanam-po ny manodidina. Ny fahenoana ny feo nidoboka mafy vokatry ny fipoahana no nanaitra ny manodidina. Mafy be ilay fipoahana izay satria ny trano manodidina aza re nihovitra mihitsy” hoy i Nirina, mponina teo amin’ny manodidina.

“Maro ny loza miseho amin’ny fotoana mamarana ny taona sy alohan’ny fety tahaka izao. mila mitandrina ny tsirairay satria ny tampoka tsy mahalehilahy” hoy i Doda, zokiolona.

Azo sorohana amin’ny fahamailona sy ny fitandremana ny karazana loza samihafa. Raha ny vaovao farany mahakasika ireo olona telo naratra tamin’ity tranga ity dia efa nentina namonjy ny hopitaly HJRA izy ireo, izay marihina fa voa mafy avokoa tamin’izany.

Laisser un commentaire