Iray volan’ny teny Malagasy : Boky mirakitra ny fitiavan-tanindrazana ny « Pelasoa »
Hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny 15 jona 2022 ny boky « Pelasoa » izay nosoratan’Andriamabavilanitra miisa 4 (Heriarilala Andriamamonjy, Ny Tsiaro, Ramatoakely Ivo’Art, Hiaka). Ho hita ao ihany koa ny fanentanana ny olona hanaja ny tontolo iainana satria mbola ao anatin’ny volana ho an’ny tontolo iainana isika izao.
« Tafiditra ao anatin’ny hetsika fankalazana ny iray volan’ny teny Malagasy ity hetsika famoaham-boky ity. Hisy ny famelomana ireo asa soratra Malagasy ny 15 jona ao amin’ny tranombokim-pirenena Anosy » hoy ny mpikarakara. « Isan’ny mampiavaka ity boky ity ny fampiasana tenim-paritra. Misy sombintantara sy tononkalo ao anatiny. Tanjona ny hanehoana amin’ny mpiray tanindrazana fa mahavita zavatra ny vehivavy. Afaka mamokatra fanabeazana ho an’ny taranaka fara mandimby » hoy i Heriarilala Andrimamonjy, isan’ireo mpanoratra ao amin’ny boky « Pelasoa ».
Tsy tokony hisy intsony ny fanavakavahana mifototra amin’ny mahalahy na amin’ny vavy amin’izao fotoana izao. Samy mahavita sy misehatra ao anatin’ny asa fampandrosoana tokoa na ny lahy na ny vavy.
Toky Randriamanalison
