ActualitésTatitra

Mayotte : Olona enina no hisitraka fiofanana fitsaboana maso

Nambara nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tao CUFR de Dembeni niaraka ny masoivohon’ny fahasalamana isam-paritra, ny filankevitry ny departemanta, ny oniversiten’i Paris, ny « rectorat » ao Mayotte ary ny CADEMA sy ny Adom ny fiandohan’ny herinandro teo fa fanofanana ho mpitsabo maso ho an’ireo mponina maniry izany ao Mayotte.

Natao hiadiana amin’ny tsy fahampian’ny mpitsabo maso na « orthoptistes » ao amin’ny nosy izany raha ny fanazavana. Marihana mantsy fa « orthoptistes » efatra ho an’ny mponina 200 000 ihany no ananan’ny nosy raha 92 izany ho an’ny mponina 800 000 ao amin’ny nosy La Réunion.

Olona enina kosa no hisitraka io fiofanana izay atao ao amin’ny oniversiten’i Paris io ary misokatra ho an’ny rehetra izany. Manomboka ny 15 jona kosa ny fisoratana anarana ao amin’ny tranonkala ny Parcoursup.

Laisser un commentaire