ActualitésTsidika

Masindray: Nifampizara hafaliana tamin’ireo mpanao ara maro seho ny mponina

Nisy ny fitsidihana nataon’ireo mpikatroka ny taranja karate avy ao Tsarahonenana Masinandray, ny fiandohan’ny herinandro teo. Nitohy tamin’ny fifampizarana hafaliana niaraka tamin’ireo mponina tao an-toerana izany, raha ny voalaza.

“Hafaliana hatrany na ho an’ny mponina na ho an’ny mpikambana ny fiarahana tahaka izao, anatin’ny hafaliana, hanadinoina ireo fahasahiranana amin’ny andavan’andro. Nahazo anjara avokoa teto na ny olon-dehibe na ireo tanora na ny zaza” hoy ireo avy amin’ny Club-academy Direction.

“Hisaorana ireo mpikatroka ara-maro seho tsy nanadino ny tety ifotony. Zava-dehibe ho anay mponina satria anisan’ny sady nampiala voly no nanala fahanginana anay. Hetsika tsy dia fahita firy ety an-toerana ny tahaka izao” hoy i Dina, mponina ao Masindray.

Zava-dehibe tokoa ny fifampitsinjovana eo amin’ny samy mpiara-belona. Izao tokoa no anisan’ny mamelona ny fihavanana ary manamafy ny firaisan-kina.  

Manitra R.

Laisser un commentaire