Alasora: Miaro sy manampy ny vahoaka ny polisim-pirenena
Namonjy ain’olona ny mpianatra ho polisim-pirenena mandrato fiofanana ao amin’ny kaomisaria an’Alasora. Lehilahy iray mpivaro-mandeha no torana, nianjera tamin’ny tany vokatry ny harerahana sy ny tsy fisakafoanana, teny amin’ny faritra manodidina ny Domaines Avaradrano teny.
“Tsy mampandry filaminana ny tanàna ihany no anjara andraikitry ny polisim-pirenena, ao anatin’ny asa sy adidy hiandraiketan’izy ireny ihany koa ny fanampiana sy ny famonjena ny vahoaka tra-pahasahiranana” hoy ny avy amin’ny polisim-pirenena.
“Mbola maro ny olona tsara fanahy sy tia manampy ny hafa amin’izao fotoana izao na dia efa iaraha-mafantatra aza ny hasarotry ny fiainana. Anisan’ny zavatra mateti-pitranga amin’izao fotoana, vokatry ny adim-piainana dia maro ireo misedra tsy fahasalamana eny an-dalana” hoy i Liva, mpivarotra eny amin’ny manodidina.
Nomena sakafo ary nokarakaraina moa ity lehilahy ity tamin’izany. Rehefa nahazo izay sahaza azy ka nahazo aina kosa izy dia nitohy nanohy ny asany ihany.
Manitra R.
