Ankadikely Ilafy : Ireo fahavoazana nateraky ny andro ratsy
Olona maherin’ny 465 no tra-boina tao amin’ny Kaominina Ankadikely-Ilafy taorian’ny rotsak’orana. Niakatra ny rano tao amin’ity Kaominina iray ity.
« Maherin’ny 465 ireo tra-boina. Tao amin’ny fokontany Antanandrano ny 187. Tao amin’ny Fokontany Manjaka kosa ny 27 raha tao Andrononobe ny 8. 43 kosa ny tao Ambohibe raha 200 mahery ny teto amin’ny Fokontany Ankadikely » hoy ny Ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija.
« Nisy ny fitsidihna sy fanomezana sakafo ireo tra-boina. Nampiantranoana Vonjy maika ao amin’ny EPP Antanandrano sy EPP Ankadikely ireo tra-boina » hoy ny avy ao amin’ny BNGRC. « Tena mafy ny fahavoazana. Nirodana tanteraka ny tranonay. Tsy misy aleha intsony. Mangataka fanampiana hatrany » hoy ny renim-pianakaviana iray tra-boina.
Niezaka nitady vahaolana hatrany ny avy ao amin’ny Kaominina hanavotana ireto mpiara-belona tra-boina ireto. Ny fifanohanana hatrany no tena zava-dehibe manoloana izao loza izao.
Nicole Rafalimananjara
