Belgique : Manara-maso ireo olona mampiasa harona plastika manify ny mpitandro filaminana any Verviers
Mitohy ny fanaraha-maso sy ny fisavana eny an-tsena ireo mpivarotra mbola minia mampiasa harona plastika manify any Verviers ankehitriny. Voarara mantsy ny fampiasana izany, indrindra ho an’ireo mpivarotra mandehandeha izay mbola minia mampiasa ihany. Nanentana ny olona aloha ny polisy tamin’ny voalohany ary nizara harona plastika matevina amin’arivony vao nanomboka hentitra raha mbola nahita ireo tsy nanara-dalàna.Mpivarotra maro no tratra ny sabotsy 19 jona teo saingy navotsitra aloha fa nampitandremana fotsiny raha ho entitra amin’izay aorian’io. Ny harona plastika latsakin’ny 60 microns no tsy azo ampiasaina intsony any Wallonie fa ny maherin’izay kosa dia nomena alalana satria mbola azo averina ampiasaina. Isan’ny mitarika amin’ny fahaloton’ny tontolo iainana manko ny fampiasana harona plastika manify.
