France : Afaka mivoha ihany koa ny toeram-pandihizana
Nilaza omaly i Alain Griset, Minisitry ny orinasa madinika sy salantsalany, fa afaka mivoha manomboka main’ny 9 jolay izao ireo trano amin’ny alina toy ny toeram-pandihizana. Nivory tany Elysée manko ny solontenan’ireo tompona toeram-pandinhizana mro any France niaraka tamin’ny tompon’andraikitra ka izay no nambara am-pahibemaso tao.Nanamafy kosa anefa i Alain Griset tamin’izany fa ireo olona salama ihany no afaka miditra amin’izany toeram-pandihizana izany. Tsy voetry intsony kosa ny fanaovana arovava raha ferana ho 75% ihany no olona ao anatiny raha 100% ny mifamezivezy any ivelany. Efa nandritra ny 15 volana izao no nikatonan’ny toeram-pandihizana toy izany noho ny krizy ara-pahasalamana kanefa ahitana toeram-pandihizana amin’ny alina miisa 1 600 an France raha misy mpiasa 30 000.
