Misy mpiadina CEPE tsy afaka niatrika fanadinana
Ankizy mpiadina CEPE miisa 14 no voatery nalefa nody tsy afaka niatrika fanadinana omaly 06 jolay noho ny tsy fahampian’ny antontan-taratasy tao amin’ny EPP Sambava Afovoany. Nampandoavin’ny Talen-tsekoly tao amin’ity EPP vola 10 000 ar isaky ny ankizy ny ray aman-drenin’ny mpianatra hanala CEPE mba hanaovana copie araka ny vaovao voaray. “Tsy nanam-bola izahay dia tsy afaka nanao an’ilay copie, ka izao tsy niatrika fanadinana izao ny zanakay” hoy ny alaelon’ireto ray aman-drenin’ny mpianatra.
Raha ny fanazavan’ny Talen-tsekoly kosa dia tsy nahazo convocation na fiantsoana ireo ankizy ireo ary nolazaina fotsiny hoe tongava ihany. Avy amin’ny sekolim-panjakana ny 08 tamin’izy ireo voalaza fa tsy nanana copie ireo. Ny ankizy 06 kosa dia avy amin’ny sekoly tsy miankina iray, nanao « candidat libre ». Voararan’ny Minisitera nefa ny fanaovana izany raha mbola latsaky ny 16 taona raha ny fantatra.
Hasina Rasamimanana
