Tohin’ny raharaha fikasana hamono ny SEG
« Ny fikasana na fanatanterahana famonoana olona dia heloka bevava izay mampigadra mandrapahafaty na antaonany maro » hoy ny tompon’andraiktry ny raharaha. Raha tsiahiviny mantsy dia lehilahy enina no voarohirohy tao anatin’ity fikasana famonoana ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarmariam-pirenena ity. Ny Sampana misahana ny fikarohana heloka bevava eo anivon’ny Zandarmariam-pirenena eny Fiadanana no nandray an-tanàna ny raharaha. Rehefa avy natolotra ny fampanoavana teo Anosy izy ireo dia naiditra ao Tsiafahy avokoa araka ny fampitam-baovao.
Voasambotry ny vondron-tobim-peleovan’ny Zandarmariam-pirenena Analamanga niaraka tamin’izany ihany koa ny lehilahy efatra hafa nanao fanakorontanana firenena nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena. « Nisandoka ho zandary ny iray tamin’ireo ary nampiasa fanamiana sy karatra maha-zandary mihitsy nandritra ny fety » hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. . Efa naiditra amponja etsy Antanimora avokoa ireo olona ireo rehefa natolotra ny Pole anti-corruption (PAC) Antananarivo. Marihina fa samy niaiky ny heloka vitany ireo olona voasambotra ireo, sarona avokoa ireo fitaovam-piadiana sy fanamiana zandary nampiasany. Mbola misy ny olona karohina kosa amin’izao fotoana izay efa fantatra ny mombamomba azy araka ny tatitra.
Hasina Rasamimanana
