Etats-Unis : Iza moa i Stephen Curry
Teraka tao Akron, Ohio i Stephen Curry tamin’ny 14 martsa 1988. Mpilalao baskety américain ao amin’ny ekapan’ny « Golden State Warriors » ao amin’ny NBA ny tenany. Efa ao anaty ràny ny filalaovana baskety satria mpilalao ihany koa ny rainy Dell Curry teo aloha.
Fantatra amin’ny fahaizana « tir à trois points » izy ary voarakitra ho mpilalao nanao « tir à trois points » betsaka indrindra ny taona 2013, 2014, 2015, 2016 ary 2017. Voarakitra ho mpamono baolina mahay indrindra tao amin’ny tantaran’ny NBA izy. Ny taona 2009 izy no norasin’ny NBA an-tanana. Votery niato kosa izy ny taona 2011-2012 noho ny ratra nahazo azy. Tamin’ny volana Aprily teo dia voarakitra ho mpamono baolina mahay indrinda ny « Golden State Warriors » izy, nohariny i « Wilt Chamberlain ».
