ActualitésTatitra

Birmanie : Niampy 7 taona indray ny sazin’ny mpitantana ny firenena teo aloha Aung San Suu Kyi

Niampy 7 taona indray ny sazin’ny mpitantana an’i Birmanie teo aloha Aung San Suu Kyi, 77 taona. Raha tsiahivina dia voasazy noho ny kolikoly, hosoka tamin’ny fifidianana, fanitsakitsahana ny tsiambaratelom-panjakana sy ny fepetra niady tamin’ny Covid-19 io mpitondra teo aloha io.

Nanomboka ny 1 Febroary 2021 izy hatramin’ny fanonganam-panjakana izy no voasambotra ary voaheloka hanefa sazy an-tranomaizina 26 taona noho ny fiampangana 14 samihafa. Nanao fanambarana nefa ny tribonaly ny « junte » ny herinandro lasa teo manoloana ny trangana kolikoly 5 hiampangana azy fa hiampy 7 taona indray saziny.

Laisser un commentaire