ActualitésTsidika

Anosy Avaratra : Nanatanteraka fisarihana hanentanana ny mponina amin’ny fandoavan-ketra

Nisy ny fanentanana nataon’ny kaominina Anosy Avaratra ho an’ireo mponina tao an-toerana, mahakasika ny hetra hatramin’ny taona 2022, tamin’ny herinandro lasa teo. Nanatanteraka fisarihana izy ireo araka izany, izay nanomezana loka goavana isan-karany, ary maro ireo nandray anjara, araka ny voalaza.

« Fomba anak’iray natao mba hanentanana ny olona amin’ny fandoavan-ketra ny fisarihana, izay natao am-pandraisana anjara ny rehetra. Ireo rehetra nandoa hetra dia efa noraisin’ireo tompon’andraikitra anarana ka afaka nosarihina ary hita tokoa fa maro no liana tamin’ilay fanentanana » hoy ireo tompon’andraikitra amin’ny fanentanana.

« Nisinisy ary maro tokoa ny olona no liana tamin’ilay fanentanana raha ny hita tety amin’ny biraon’ny kaominina. Nahomby tokoa ny fanentanana ary tokony tohizana hatrany satria ho an’ny tombotsoan’ny rehetra ihany » hoy i Fifaliana, mponina ao Anosy Avaratra.

Anisan’ny olana mbola sedrain’ny kaominina maro ny mahakasika ny fanentanana ny mponina amin’ny fandoavan-ketra. Antony tsy maharisika ny mponina amin’ny fanatanterahana izany anefa ny tsy fahafantarana ampiasana izany sy ny mangarahara eny anivon’ny kaominina.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire