Fiompiana : Tsy fantatra ny tena niavian’ny aretin’omby
Mbola tsy fantatra mazava ny tena nahatonga ny aretin’omby, izay tena nandripaka omby teto amintsika. Mifindra kosa anefa ity aretina ity raha ny fanazavana voaray.
« Ny fiovaovan’ny toetr’andro no tena niavian’ny aretina. Mifindra ity aretina ity ary efa miparitaka amin’ny faritra 16 eto Madagasikara » hoy ny Ministra lefitra ao amin’ny Fiompiana sy ny fambolena, Dr Raymond. « Maty haingana mihitsy ny omby raha toa ka tsy misy ny fitsaboana sy ny fandraisana an-tanana. Azo tsaboina amin’ny antibiotika sy ny Vitamina aloha ny aretina. Mila mitandrina hatrany isika mpiompy » hoy i Rado, mpitsabo biby.
Tsy miverina intsony amin’ny omby efa sitrana ity aretina ity. Efa nahatratra 0,5% hareto ny taham-pahafatesan’omby voarakitry ny Ministera.
Nicole Rafalimananjara
