Alasora : Polisy sandoka maka vola amin’ny mpandeha, tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny
Nahazo fitarainana ny mpitandro filaminana ao Alasora fa misy « Polisy » iray manakana fiara tsy sasatry ny maka vola be amin’ireo fiara taxi-be sy fiaran’olon-tsotra izay mandalo eny amin’ny faritra Ankadindratombo. Nanara-maso ny tena zava-miseho marina ny polisy eny an-toerana taorian’izay. Tratra ambodiomby teo am-panajanonana fiara ity lehilahy Ity ka nosamborina avy hatrany namonjy ny kaomisaria.
« Tsy polisy akory ity lehilahy mpisandoka ity fa mpiambina eny amin’ny faritra Ambanidia » hoy ireo Polisy ao Alasora. « Miasa tsara izy mandritra ny tontolo ary alohan’ny hiasa maraina sy aorian’ny miasa hariva izy izany no manao izao asa fisolokiana izao » hoy ny mpampiasa azy.
« Tiana ny mampahafantatra fa ny polisim-pirenena rehefa miasa eny an-dalam-be dia manao fanamiana ny sampan-draharaha iasany sy manana ny « badge » hamantarana ny momba azy avokoa » hoy ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena foibe. Misandoka ho polisy izy dia mahazo vola : fa nahoana no mahazo vola ? Efa hitany ve ny fanaon’ny polisy ary hitany fa mety dia nataony koa ?
Nicole Rafalimananjara
