CultureTsidika

24 May 1986 : Inona marina no tena zava-nisy nahatonga ilay lozam-piaramanidina ?

Namoy ny ainy nandritra ny lozam-piaramanidina nahatsiravina ny sabotsy 24 may 1986 ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena tamin’izany, Sibon Guy, sy ny mpiara-miasa aminy rehetra tao Ampamoizankova. Maty daholo ireo mpandeha rehetra sy ireo mpanamory ary ny teknisianina. Miisa 13 izy ireo. Ny Fampahalalam-baovao tamin’ny 07 ora hariva tao amin’ny Radio Madagasikara no nilaza ny vaovao.

Maizina tanteraka ny lanitr’i Gasikara tamin’izany. Ny resaka teny anjorony no nandrenesana fa nisy SN ankizy vavy hafa isany maty tao anatin’ny fiaramanidina. Saika hamonjy ny lanonana ara-miaramila famoahana miaramila manamboninahitra tao amin’ny ACMIL Antsirabe no antondian’izy ireto, hihazo ny Seranam-piaramanidina Antsirabe Airport (ATJ-FMME).

Nisy ny fanehoan-kevitra nampitaiona nivantana tamin’ny horonam-peo nataon’ny filoham-pokontany tao an-toerana tamin’izany. Nilaza izy fa nipoaka teny ampanidinana ilay fiaramanidina. Tapaka anefa ny fampitana tamin’izany, ary ny tonian’ny Fampahalalam-baovao tenany mihitsy, Joachym Andrianarisoa, no niditra an-tsehatra tamin’io fampitana ny vaovao hariva io. Nivoaka ny fanehoan-kevitra maro satria lanitra manga sy rivotra tany tsara tamin’io andro niaingan’izy io.

« Tsy mitombina ny loza satria fiaramanidina faran’izay milamina tsara ny DC3. Eny fa na maty mijanona tampoka aza ny maotera dia misy fomba atao tsy hampianjera avy hatrany ny raoplanina » hoy ny fanehoan-kevitr’i Ramaromisa Daniel, izay mpanamory fiaramandina tamin’izany.

Taty aoriana ihany koa anefa dia maty nisy namono ilay filoham-pokontany tao an-toerana nisehoan’ny loza. Mbola mipetraka baraingo ho an’ny maro ny zava-nisy tamin’izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire