Hiady ny amboaran’i Afrika any Cameroun amin’ny taranja Handball ny Malagasy
Tonga tany Cameroun ny 2 jona ny ekipam-pirenena Handball vehivavy malagasy hiatrika ny amboaran’i Afrika izay ho atao ny 8 hatramin’ny 13 Jona ho avy izao. Ao anatin’ny vondona A no misy an’i Madagasikara izay misy an’i Sénégal sy Tunisie ary i Guinée. Ny 9 jona izao ny lalao voalohany izay hifanandrinan’izy ireo amin’ny ekipan’i Sénégal izay ho atao ao amin’ny kianjan’i Cameroun. Androany 3 Jona kosa no hiainga avy ao Frantsa ireo mpilalao 4 hanatevin-daharana azy ireo. Miisa 16 noho izany ireo mpilalao raha 4 ny komity nanaraka azy ireo. Misaotra manokana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena Tinoka Roberto ny avy ao amin’ny Delegasiona tamin’ny fanampiana sy ny fikarakarana amin’ny fahatanterahin’ izao fandraisana anjara izao. Eo amin’ny anjara toeran’ny mpiandry tsato-kazo dia misy an’i Sandrine sy i Myra raha i Chaina sy i Anne Gaelle ny « Ailières gauche » ka i Jenny sy i Marylea no ao amin’ny « Arrières gauche ». Ahitana an’i Miora sy i Valerie kosa ny ao amin’ny « demi centre » raha i Fandresena sy i Califfany no eo amin’ny « Arrières droit » ka i Aina sy i Nicole no eo amin’ny « Ailières droite ». Ireto kosa ny « pivots » : Chantiah sy i Landy, Judith ary i Flavia. Hiady ny voninahi-pirenena amin’ny taranja Handball izy ireto ka manohana izany ny Malagasy rehetra.
Nicole Rafalimananjara
