Maurice : Olona roa noahiahiana ho nangalatra no nosamborina
Nidina teny Grand Baie nanao ny fisamborana ny avy ao amin’ny Criminal Investigation Division na ny CID. Namela ny hisamborana an’ilay rangahy 50, tantsambo, sy ramatoa 38 taona mpiray tsikombakomba taminy tamin’ny resaka halatra. Heloka nataon’izy ireo tamin’ny 27 oktobra lasa teo izany izay nangalaran’izy roa ireto tao amina Tale iray any Pointe-aux-Canonniers. Raha ny nambaran’ity Tale 45 taona ity, tokony ho tamin’ny 00 h30 hatramin’ny 5 ora teo no niditra an-tsokosoko tao aminy ny olona maromaro. Nangalariny tamin’izany ny Iphone XS Max sy finday tsotra iray marika Samsung sy Ipad mini iray ary fitoeram-bola nisy vola Rs 300 sy famataranandro marika Fossil miampy vola Rs 3000, mbola niaraka tamin’ny fitoerana solosaina sy togomalady roa. Mitetim-bidy Rs 150 000 izany rehetra izany. Nilaza anefa ilay ramatoa voarohirohy fa tao an-tranony tsar aizy tamin’io fotoana io no tonga avy any ny vadiny sy ilay rangahy nitondra Iphone sy ireo fitaovana hafa nangalarina ary namidy ireo ka nanome Rs 1000 an’ilay skipper ny vadin’ity ramatoa ity. Niakatra fitsarana omaly 2 jona izy roa ireto raha mbola karohina fatratra kosa ny vadin’ity ramatoa ity.
