Ankadikely ilafy: Mitohy hatrany ny fizarana “kits examen” eny amin’ireo EPP
Mitohy hatrany ny fanampiana ara-pitaovana ireo ankizy mpanala ny fanadinana CEPE, ataon’ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, manerana ireo EPP ao an-toerana. EPP miisa efatra indray no nisitraka izany, ny faran’ny herinandro teo, araka ny voalaza.
“Izao hetsika fizarana kits examen izao no natao dia mba ho fanampiana ara-pitaovana hiatrehana ny fanadinam-panjakana CEPE ho an’ireo mpianatry ny EPP eto amin’ny kaominina. Ankoatra izay nahazo ny anjarany ihany koa ireo mpianatra teto amin’ny Ivon-toeram-pampianarana mamaky teny manoratra ary mikajy eto Belanitra izay marihina fa eo amban’ny fiahian’ny kaominina tanteraka » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Faly ireo ankizy ary naneho ny fahavononany, velom-pisaorana ihany koa ny ray aman-dreny sy ireo tompon’andraikitry ny sekoly amin’ny fanohanana sy ny fitsofan-drano azy ireo » hoy hatrany ny fanazavana.
Anisan’ny mahafaly ny ankizy hatrany ny fanomezana fanampiana tahaka izao. Mamporisika azy ireo hiezaka sy hanao ny tsara hatrany. Himason’ireo tomponandraikitra ary tsy natao ambanin-javatra moa izany ho an’ny kaominina Ankadikely Ilafy.
Manitra R.
