ActualitésTsidika

Fananganana sekoly ambaratonga fototra any Ambalasoarano

Olana amin’ny fampianarana any amin’ny faritra lavitra andriana any ny tsy fahampian’ny fianarana. Na dia eo aza ny solontenam-panjakana eny ifotony mahita ny tsy ampy dia mbola mipetraka ho isan’ny olana foana izany. Hatsangana tsy ho ela ny sekoly ambaratonga fototra izay ahitana efitra fianarana miisa 5 any Ambalasoarano kaominina Ambohidrandriana any amin’ny faritra Vakinakaratra. Nisy ny fety fanokafana ny fananganana izany izay notarihan’ny governora ny faritra Vakinankaratra, Vyvato Rakotovao ny 2 jona. Izany dia vokatry ny fiarahamiasan’ny faritra sy ny ONG CIGAF Madagascar.  Mpampianatra miisa telo no vinavinaina hiasa ao rehefa vita ny asa fananganana. Manampy tosika izao tetik’asa izao ny fokonolona any na-toerana sy ny Kaominina Ambohidrandriana na ra-bola izany na ara-pitaovana. Nanolotra vola mitentina 500 000 ariary ihany koa ho an’ity tetik’asa ity ny solombavambahoaka roa voafidy tao amin’izany distrika izany. Isan’ny laharam-pahamehana ho an’ity faritra ity ihany ko any fanamboaran-dalana mampitohy an’Antsirabe makany Ambohidrandriana indrindra ny makany amin’ny Fokontany Fanjakamandroso izay hisy ny fananganana. Ary ny goveronra no hanome lanja volaohany ny fanamboarana izany lalana izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire