SportTsidika

Ho kintan’ny basketball malagasy i Nantenaina Mazava

Manomboka betsaka ny tanora malagasy liana amin’ny fanatanjahan-tena iraisam-pirenena. Eo amin’ny sehatra Basketball izao, nisoratra anarana ao amin’ny Fossa Basketball Club any Orlando, Etats-Unis ny mpilalao teratany Malagasy iray, Nantenaina Mazava ary azo ekena amin’ny NBA Draft 2023. Tao amin’ny Pro Basketball Association no nanaovana ny sonia. Ho an’ny taona 2022 izao fifanarahana izao. Ho isan’ny hamiratra indrindra amin’ny mpilalao basketball Malagasy araka izany ity hamonjy  sy hilalao any Etats-Unis ity. Mirefy 1m88 izy, efa hanatratra ny 2m, ka mety hilalao amin’ny NBA amin’ny taona 2023. Ranjanana ary manana vatana matanjaka tokoa i Nantenaina Mazava ary isan’ny kitana ho an’ny basketball Malagasy. Ankehitriny, efa hamarana ny fianarany amin’ny fampandrosoana ifotony sy iraisam-pirenena any amin’ny Andrew University any Etats-Unis ny tenany. Manana vatana matanjaka hiady amin’ny Basketball tsara izy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire