Tsidika

Nidina ifotony teny Ambohipo ny Minisitera telo

Anisan’ny tena nampitaraina ny olona ny fanararaotana amin’ny vidim-panafody sy ny varo-maizina manodidina izany. Fata-daza amin’izany ny faritra Ambohipo sy Ambolokandrina iny. Nidina an-tsehatra tamin’iny faritra iny ny Ministera telo ny Talata 20 Avrily lasa teo dia ny Minisiteran’ny Varotra, Minisiterann’y fahasalamam-bahoaka, Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. Manjaka amin’iny faritra iny tokoa mantsy ny varotra fanafody amoron-dalana efa an-taonany maro izay. Toeram-panangonana fanafody maro no hita nandritra izany ary fanafody fitsaboana amin’ny Covid-19 maro no tratra. Noho tsy fahitana fanafody eny amin’ny Farmasia no tena olana fa raha mikasika ny vidim-panafody miakatra indray kosa , efa nandray ny andraikiny ny Holafitry ny Farmasianina Malagasy sy ny Ministeran’ny Varotra sy ny Minisiteran’ny Fahasalamana. Ankoatr’izay, Olona miisa 06 no efa nahiditra am-ponja taorian’ny fitarainana azo tamin’ireo marary sy olon-tsotra. Mpiasan’ny fahasalamana sy olon-tsotra nanodina ireo fanafody tokony zaraina maimaim-poana ho an’ny marary, nanao varo-maizina ny fanafody teto amin’ny facebook, naka vola tamin’ny mpanao test no tena nataon’izy ireo. Mbola mitohy ny fanaraha-maso sy fikarohana ireo mbola minia manararaotra mandika lalàna amin’ny fanodinana ireo fanafody fitsaboana vahoaka sy fivarotana izany eto amin’ny facebook hanaovana bizina. Aoka hatsahatra ny fanararaotana amin’izao fiadiana miaraka ny fahavalo tsy hita maso izao.

Nicole Rafalimananjara 

Laisser un commentaire