ActualitésTsidika

Fialamboly : Nanatanteraka fihaonana indray ireo mpankafy fiara taloha

Mbola maro amin’ny Malagasy no mankafy ka mahatahiry ireny fiara taloha ireny na dia efa tsy tambo isaina ary ny karazana fiara vaovao amin’izao fotoana izao. Novalian’ny « Club Madacox » ny fanirian’ireo mpankafy sy mpitia izany karazana fiara izany ka nanomana fotoana iray hiaraha indray izy ireo. Fotoana iray nahafahana nifanakalo hevitra ny fomba fikarakarana hahafahana mitahiry ireny fiara ireny ity fotoana ity. Mahafinaritra ny maso ihany koa ny mahita ireo loko sy ireo paozy hananan’ireo fiara taloha ireo.

« Fantatray fa mbola maro no mitia ireny fiara taloha ireny. Mety “passions” mihitsy ilay mikarakara sy mahita azy ireny ka hahafahana manome fahafaham-po ireo olona rehetra voakaika amin’izany no antony nanaovana ity hetsika ity. Miisa 24 ireo fikambanana namely ny antso ary nahafinaritra ny fiarahana. Mahaliana hatrany ihany koa ny maheno ireo fijoroana vavolombelona isan-karazany mahaksika ny fikarakarana sy fitiavana itony fiara itony », hoy ny tompon’andraikitry ny Club Madacox.

« Na dia lafo aza ireo kojakoja fikarakarana ireto fiara efa taloha ireto dia mbola hankafizina foana satria efa manana ny “valeur” ny izy eo anatrehako. Ny tenako rahateo nobeazina tamin’ny fitiavana itony fiara taloha itony dia lasa nivadika fitiavana mihitsy ny mitondra azy sy mikolokolo azy », Sitraka Hariniaina, mpankafy fiara taloha.

Tsara hatrany ny mikojakoja ny zavatra rhetra na tsy fiara taloha aza. Tsara hatrany ihany koa ny mametraka tantara amin’ny fananana iray tena tiana mba hisian’ny zavatra ho lovain’ny taranaka na dia ny tantara fotsiny ihany aza. Toy ny fikojakojana ny fananana dia tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fikojakojana ny vatana y saina ary ny fanahy amin’,ny fomba rehetra izay mahasoa ny tsirairay.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire