SportTsidika

Talata Volonondry : Hisy ny « Tournoi Mafy Be »

Hotanterahina ny 16 aprily ho avy izao ny « tournoi Mafy Be » ao Talata Volonondry. Mbola misy ny fandraisana ny anaran’ireo ekipa liana te handray anjara amin’izany. Marihina fa lalao baolina kitra ho an’ny olona dimy ity fifaninanana ity.

« Eny amin’ny tokontanim-pianarana EPP Ambolo no hanatanterahana ny lalao ny Sabotsy ho avy izao. Afaka mandray anjara avokoa na ny lahy na ny vavy. Mirary ny saram-pandraisana anjara » hoy ny avy ao amin’ny CFM Ambolo izay mpikarakara ny lalao. « Mahafinaritra tokoa ny fanomezana sehatra anay vehivavy ao anatin’ny tontolon’ny fantanjahan-tena tahaka izao. Sady manatanjan-tena izany amin’io no miala voly ao anatin’ny fety » hoy i Rindra, mponina ao Ambolo.

Miroborobo tokoa ny fanomezana sehatra ny mpankafy baolina kitra eto Avaradrano. Maha velom-panantenana tokoa ny mahita ny tanora mirona ao anatin’ny tontolon’ny fanatanjahan-tena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire