ActualitésTatitra

Belgique : Afaka mamory olona maherin’ny 50 ny any Flandres manomboka 9 jona

Azo atao ny mamory olona any ivelany maherin’ny 50 manomboka 9 jona ho avy izao any Flandres hoy ny Ministre-Président, Jan Jambon ny talata 18 may lasa teo nandritra ny fandaharana « Cooke & Verhulst Show » tao amin’ny Play Vier. Nanontaniana mikasika ny fivoriana na fihaonana eny amin’ny zaridaina manko izy nandritra ny fanadaharana. Ary novaliany fa afaka mivory ny olona 11 hatramin’ny 50 amina zaridaina iray fa manaraka ny lalàna mikasika ny fahasalamana sy ny fikarakarana sakafo matihanina. Niteraka resa-be anefa izany taorian’izay ka nihaona tamin’ny Praiminisitra Alexander De Croo izy ny androtr’io ihany ary nanapa-kevitra izy taorian’izay fa handanjalanja kokoa. Tapaka araka izany fa avela ny fivorian’ny olona maherin’ny 50 eny an-jaridaina manomboka ny 9 jona izao, fa kosa tahaka ny fepetra eny amin’ny Terrasse ihany no eny amin’ny zaridaina izany hoe olona 4 ihany no amin’ny latabatra iray ary manaja ny elanelana hatrany.

Laisser un commentaire