SocialTatitra

France : Zaza tsy ampy taona iray no isan’ny tompon’antoka tamin’ny nahafaty ilay ankizy 17 taona tao Champigny-sur-Marne

Mitodika amina olona roa ny mpanao fanadihadihana ankehitriny andro vitsy nahafatesan’ilay tovovavy kely iray hafa izay voatsatok’antsy tany Champigny-sur-Marne. Omaly 18 may indray mantsy, ankizilahy 17 taona no novonoina tamin’ny basy tany Champigny-sur-Marne (Val-de-Marne) . Teraka ny taona 2005 ilay noahiahiana tamin’ity raharaha ity raha ny fitsarana tany Créteil ary voarohirohy namono ity ankizilahy 17 taona ity. Iray toeram-ponenana izy roalahy ireto raha ny fikarohana nataon’ny polisy. Tokony ho tamin’ny 18h40 tany an-toerana (19h40 teto Madagasikara) no nahita andian-jatovo nitsoaka ary ny iray nitsirara tamin’ny tany ny vavolombelona. Maty tamin’ny basy ity tovolahy ity. Olona roa hafa no ahiahiana ihany koa amin’ity raharaha ity izay zatovo avokoa. Nampiseho alahelo sy fampiononana ny fianakavian’ity tovolahy ity ny ben’ny tanàna any an-toerana, Laurent Jeanne, satria sady lahitokana mpivady efa nisaraka ity zazalahy maty ity. Efa betsaka ireo zatovo novonoina tato ho ato tany amin’ity faritra Ile-de-France ity avy amina fifandirana eo amin’ny samy zatovo no niandohany na avy amina herisetra an-tambajotra. Tamin’ny zoma lasa teo izao no maty nisy nanatsatoka antsy i Marjorie 17 taona. Ankizilahy 14 taona no nahavita ny loza.

Laisser un commentaire