SocialTsidika

Ho vitan’i Edgard Razafindravahy ve ny hampidina ny vidim-piainana ao anatin’ny fotoana fohy ?

Voatendry ho Minisitry ny varotra sy ny fanjifana i Edgard Razafindravahy. Antenaina hahavita fahagagana ao anatin’ny telo andro ity olon’ny politika malgasy ity manoloana nyv olan’ny vidim-piainana. « Amin’ny maha minisitry ny Indostria sy ny varotra ary ny zava-kanto azy dia tokony efa manana paikady hampidinana izany izy » hoy i Lanto, mpanara-baovao.

« Tsy miandry ela satria maharaka ny hafainganam-pandeha matoa napetraka teo amin’ny toerana » hoy ny filoham-pirenena. Ho vitany tokoa ve ny hanarina izany ao anaty ny andro vitsy ?

« Aiza koa no hahavitany an’izany, ny Ministra teo aloha aza niasa nandritra ny taona tsy nahavita koa maika fa ao anaty ny andro vitsy arak any tenin’ny filoham-pirenena » hoy indray i Justin, mpampianatra. Ity sehatra ity no tena andrasan’ny vahoaka fatratra, i Edgard tokoa ve no hahavaha ny olan’ny fiakaran’ny vidim-piainana eto amin’ny firenena ? « Ny toky fitaka fa ny atao no hita » ary ny asa vita no hifampitsarana ka ny vidim-piainana aloha izao no manahirana vahoaka ka ho hita eo izay paik’adin’ity Ministra ity.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire