ActualitésTatitra

France : Mpampianatra iray no nitsambikina avy teny amin’ny rihana faha-6 ny sekoly iray tao Lyon

Mpampianatra vehivavy iray 49 taona no nitsambikina avy teny amin’ny rihana faha-6 ny sekoly Condé, rue Camille-Roy tao amin’ny boriboritany faha-7 tao Lyon. Mpampianatra « infographie » io vehivavy io raha ny fantatra. Manodidina ny 8 ora sy sasany araina tao an-toerana kosa no niseho ny tranga ny herinandro lasa teo.

Manodidina ny 15 metatra teo kosa no elanelana nianjeran’io mpampianatra io. Vetivety ihany dia tonga tao an-toerana ny mpamonjy voina saingy tsy tana intsony ny ain’io vehivavy io. Raha ny fanazavana dia mpampianatra tsy raikitra tao amin’ny sekoly io namono tena io. Indraindray ihany izy vao mampianatra ao amin’izany toerana izany ary tsy niasa izy tamin’io fotoana nisehoan’ny loza io.

Laisser un commentaire