ActualitésTatitra

Qatar : I Nasser Mohamed no mponin’i Qatar voalohany naneho ny maha-LGBT azy

Nivoaka tamin’ny fahanginany na nanao « coming-out » ny Dr Nasser Mohamed. Izy noho izany no olona avy ao Qatar voalohany sa tokana naneho sy sahy nampiseho fa miaraka amin’ny olona mitovy fananahana aminy.

Ny fahanginana manoloana ny maha mpikambana ao amin’ny LGBT dia manam-porofo fa miaina ao anaty tahotra ny mponin’i Qatar hoy i Nasser Mohamed. Raha tsiahivina dia voararan’ny lalàna ny fiarahana amin’ny olona mitovy fananahana aminy ao an-toerana. Nanazava i Nasser Mohamed nandritra ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazetin’ny BFMTV.com da efa hatramin’ny fahakeliny izy no nahalala fa tia olona mitovy fananahana aminy. Niaina tao amin’ny tontolo tena nanaja ny nentim-paharazana nefa izy ka nitazona ny fahanginana.

Rehefa nilaza ny naha izy azy i Nasser Mohamed dia nitady vahaolana ara-pahasalamana avy hatrany ny ray aman-dreniny raha ny fanazavany. Nahatsiaro tena tandindon-doza nefa izy tao Qatar taorian’izany ka nifindra monina ao San Francisco.

Laisser un commentaire