ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Nisitraka ny fanampiana avy amin’ny CIAD 2022

Anisan’ny iray amin’ireo kaominina 16 izay mandrafitra ny distrikan’Avaradrano, nisitraka ireo fanampiana avy amin’ny CIAD 2022, ny kaominina Ambohimangakely. Nisy ny fanolorana izany fanampiana izany ho an’ny kaominina ny faran’ny herinanndro teo, tao an-toerana.

« Isaorana feno ireo solombavambahoaka mirahalahy eto Avaradrano sy lehiben’ny distrika tamin’ny nisitrahana sy fahazoana ireo fitaovana sy simenitra izay natao hitsinjovana sy hampiroboroboana ireo foto-drafitr’asa ilain’ny vahoaka eny ifotony » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

« Zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana eny ifotony ny fanomezana sy fanohanana ny kaominina tahaka izao. Mila arahina asa kosa anefa izany ho an’ireo kaominina, ahafahan’ny vahoaka misitraka izany tombotsoa iombonana izany » hoy i Harison, mpandinika fiaraha-monina.

Tahaka ireo hetsika fanomezana ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro (éclairage public) ihany moa ity hetsika izay ataon’ny avy eo anivon’ny distrikan’avaradrano ity, ary mahazo izany avokoa ireo kaominina 16 ao anatiny.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire