ActualitésTsidika

Lozam-pifamoivozana: Fiara iray indray no nandona ny pylone JIRAMA tetsy Anosizato

Ny alin’ny 18 Jona teo, tokony ho tamin’ny 09 ora alina teo no nisehoana lozam-pifamoivozana, izay nandoman’ny fiara iray ny pylône fahatelo amin’ny sous-station an’ny JIRAMA teny Anosizato, araka ny voalazan’ny tompon’andraikitry ny fifamoivoizana teny an-toerana. Marihina fa ity Pylone ity no mamatsy herinaratra ny faritra atsimo andrefan’Antananarivo manontolo.

“Ilaina hatrany mba ho samy malina ny tsirairay mba tsy hitrangan’ny loza matetika toy izao, ary koa mba tsy hisian’ny  fahasimban’ny  ny fananana iombonana  sy ny fanananan’ny orinasa izay mety hiteraka fikorontanana eo amin’ny famatsiana herinaratra” hoy ny fanehoan-kevitry ny tompon’andraikitra iray avy eo amin’ny JIRAMA manoloana ity tranga ity.

Nanazava kosa tetsy an-daniny ity mpamily iray izay nanatri-maso ny tranga fa “efa metatra maromaro no hita fa hafahafa ny fomba fitondran’ity mpamily ity ny fiara ary nanampy trotraka ihany koa ny hafainganam-pandeha be loatra nataony ka izao nifatratra tany amin’ny pylône izao.”

Ahiana araka izany ny hisian’ny fikorotanana madinidinika eo amin’ny famatsiana herinaratra amin’iny faritra iny vokatry ity tranga ity izay tsy maintsy hisy asa fanarenana ka ilaina ny faharetan’ny tsirairay.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire