Chine : Hihady lavaka 11 100 metatra ny firenena
Nanomboka ny 30 may teo no nanomboka nihady lavaka ao amin’ny bassin du Tarim ao amin’ny faritra manan-karena solika fandrehitra ao Xinjiang i Chine. Lavaka 10 000 metatra no fantatra fa hadiana amin’izany saingy mbola 11 100 metatra no tanjon’izy ireo raha ny fanazavana.
Raha tsiahivina kosa dia tetik’asan’ny filoha Xi Jinping tamin’ny taona 2021 io fandavahana io izay mikendry ny fanaovan’ireo mpahay siansa ao an-toerana fikarohana any amin’izany toerana mbola tsy nohalalinina izany. Anton’ny fikarohana kosa ny fakana angon-drakitra momba ny rafitra anatin’ny tany.
Raha tontosan’i Chine kosa io tanjony io dia hanana ny lavaka lavaka lalina indrindra faharoa eran-tany izy aorian’i Russie izay ahitana lavaka 12 262 metatra nanomboka ny taona 1989 ao amin’ny saikinosy ny Kola.
