Fanabeazana: Nahazo fanampiana ireo mpampianatra miankina na tsy miankina
Nanomboka nizara vatsy ho fanampiana ireo mpampianatra miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Ireo mpampianatra tra-boina noho ny fandalovan’ny rivodoza Ana ao amin’ny fitaleavam-paritry ny fanabeazam-pirenena Analamanga ireto nahazo fanampiana ireto. « Vary sy menaka ary siramamy ireto fanampiana zaraina ireto. Miisa 197 ireo mpampianatra nisitraka izany fanampiana izany” hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena. “Natao izao mba hitsinjovana ireo mpisehatra ifotony amin’ny fampianarana. Sarotra ny hitazam-potsiny noho isika efa fianakviana iray” hoy ny Ministra Sahondrarimalala Marie Michelle. “Mankasitrakla indrindra tamin’ny fanampiana. Mahatsiaro ho manana reny mitsinjo anay tokoa izahay amin’izao. Isaorana hatrany ny Ministera amin’ny fanohanana ny fanabeazana” hoy i Lanto, mpampianatra isan’ireo nisitraka ny fanampiana. Hisitraka tohana amin’ny alalan’ny “Tosika Fameno” izay mitentina 100 000 Ariary ihany koa ny mpampianatra raha ny nambaran’ny mpitondra. Raha tsy misy tokoa ny mpampianatra tsy zarizary ny fanabeazana izay tena iankinan’ny hoavin’ireo zanaka Malagasy
