Befandriana Avaratra: Leo ny fahatapahan-jiro matetika ny lehiben’ny Distrika
Misesisesy ny Delestazy ao Befandriana Avaratra hany ka betsaka ny asa mikatso vokatr’izany. Nanao fangatahana ampahibemaso tamin’ny Governoran’ny faritra Sofia ny lehiben’ny Distrika ao Befandriana Avaratra, Odilon Pruvot. “Mangataka am-panajana aminao aho Andriamatoa Governoran’ny faritra Sofia mba hanampy amin’ny famahana ny olan’ny delestazy lavareny. Isaorako mihitsy aza ny mponina eto Befandriana Avaratra izay mbola tsy nanao hetsika fanoherana izany hatreto. Efa tena leo tanteraka izahay amin’ny fahatapahan-jiro lavareny eto amin’ny tanàna ” hoy ity lehiben’ny Distrika ity. “Efa nahazo milina vaovao izay noheverina fa hamaha ny olan’ny fahatapahan-jiro izahay teto Befandriana. Tsy hita anefa izay fiovana fa manjaka foana ny fahatapahan-jiro. Mila handraisana vahaolana. Asa maro no mikatso sy simba” hoy i Charlotte, mponina ao Befandriana Avaratra. Andrasana araka izany ny mety tohin’ity fangatahana ampahibemaso nataon’ny lehiben’ny Distrika ao Befandriana avaratra ity. Ilaina ny herinaratra ary tsy vitsy ireo miankin-doha amin’izany eo am-panatanterahana ny asany.fahatapahanjiro
tsidika
t
