ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Natao hitaizana ny ankizy ny karaté

Azo atao hitaizana ny ankizy ny karaté. Misy fiofanana mikasika izany ao amin’ny BTC Ambohimangakely.

« Ny BTC dia mandray mpianatra karataé manomboka amin’ny 5 taona. Isaky ny talata amin’ny 3 hatramin’ny 5 ora sy ny alarobia amin’ny 2 hatramin’ny 4 ora ny fampianarana izany » hoy i Diamondra, tompon’andraikitra ao amin’ny BTC Ambohimangakely. « Natao hitaizana ankizy ny karaté fa tsy natao hisetrasetrana. Azo hikolokoloina ny saina ihany koa ny karaté » hoy i Luc, isan’ireo mpanao karate ao amin’ny. Sady azo atao fanatanjahantena no talenta ny karaté. Manampy betsaka amin’ny fitaizana ny ankizy izy.

Mitohy hatrany ny fandraisana mpianatra ao amin’ny BTC Ambohimangakely. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire