Avaradrano : Ambohimangakely sy Alasora no tafiakatra amin’ny lalao famaranana
Hotontosaina ny alahady 20 febroary 2022 ao amin’ny Kianja Ambohidratrimo ny lalao famaranana « Intercommunal » eto Avaradrano. Ny kaominina Ambohimangakely sy ny Kaominina Alasora no hifandona amin’izany.
« Manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny lalao ao Ambohidratrimo. Manantena ny fahatongavantsika maro hanohana ny kaominina sy Distrika misy antsika » hoy ny mpikarakara ny lalao ao Avaradrano. « Hisy ny fitaterana hiainga any amin’ireo kaominina tafiakatra amin’ny lalao famaranana ireo. Tsara foana ny manohana ireo tanora mpilalao ireo » hoy i Alfred, mponina ao Alasora. Saika nandray anjara avokoa ny kaominina rehetra teto Avaradrano, Tokana ihany anefa no hivoaka ho mpandresy.
Adilahin’ny mpianakavy tokoa mantsy izany, ny resy tsy ankoraina ary ny mandresy tsy hobiana. Ny fanohanana ireo mpilalao no tena zava-dehibe.
Nicole Rafalimananjara
