Alasora : Mila tandrovina hatrany ny fahasalaman’ny mponina
Mitandro hatrany ny fahasalaman’ireo tra-boina hatrany ny Kaominina Alasora. Nanadio sy nanatsara ny tontolo ao amin’ny CEG Alasora izy ireo izay toerana andraisana ireo tra-boina.
« Tsy tokony ho adinoina mihitsy fa mbola misy ny covid-19. Nanjary toa adino mantsy izany tao anatin’ilay andro ratsy teo. Hitombo indray ny fahavoazana raha tsy voahaja ny ara-pahasalamana » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. « Hita fa tena manampy sy mitsinjo ny vahoaka tokoa ny avy ao amin’ny Kaominina. Efa nanampy tamin’ny loza iny no mbola saro-piaro amin’ny fahasalamana ihany koa » hoy i Yves, isan’ireo tra-boina ao Alasora.
« Mandray an-tanana ihany koa izahay ho an’ireo tsy salama na ny mila fanampiana ara-pahasalamana. Ny fahasalamana manko no voalohan-karena. Mila salama sy manana hery tsara hiatrehana ny fiainana vaovao indray taorian’ireny voina ireny » hoy ny avy ao amin’ny CSB II Alasora.
Miasa andro aman’alina ireo tompon’andraiki-pahasalamana misahana ireto tra-boina izay tsy iza fa mponina ao Alasora ihany. Mbola ao anatin’ny fotoana fiparitahan’ny coronavirus tokoa isika izao, rariny raha mbola hajaina foana ireo fepetra ara-pahasalamana.
Nicole Rafalimananjara
