13 jona : Andro iraisam-pirenena ho an’ny varira
Tamin’ny taona 2013 dia nanapa-kevitra ny firenena mikambana nandritra ny fihaonamben’izy ireo fa hoheloina ny fanafihana sy ny fanavakavahana ny olona varira na « albinos ». Niantso ny firenena tsirairay izy ireo tamin’izany handray ny fepetra rehetra ilaina mba hiantohana ny fiarovana azy ireo.
Ny taona 2014 kosa no tapak’izy ireo nandritra ny fihaonam-ben’ny firenena mikambana ihany fa ho atao andro iraisam-pirenena ho fanentanana momba ny varira ny 13 jona. Entina hampahafantaranas ny toetra mampiavaka io fototarazo io ity andro ity « particularité génétique héréditaire », hanentanana amin’ny fiarovana azy ireo ihany koa.
