ActualitésTatitra

Europe : Olona efatra notanana am-ponja noho ny kolikoly tao amin’ny parlemanta eropeana

Mpikambana maromaro ao amin’ny parlemanta eropeana no voarohirohy amin’ny raharaha kolikoly miaraka amin’i Qatar. Nanazava ireo mpanao fanadihadiana avy ao Belgique fa manana fahefana (influence) amin’ny fanam-pahan-kevitra ara-toekarena sy potitika raisin’io andrim-panjakana io io firenena ao Golfe io amin’ny alalan’ny fandrotsahany vola be sy fanolorany fanomezana goavana amin’ireo antoko manana toerana na stratejika manan-danja.

Olona enina no efa nosamborina manoloana io raharaha io. Tafiditra ao anatin’izany ny filoha lefitry ny parlemanta, Eva Kaili izay nosamborina tao an-tranony. Tanana am-ponja vonjimaika miaraka amin’olona telo hafa ao Belgique izy nanomboka ny alahady teo raha ny tatitra. Fidirana anaty fikambanana mpanao heloka bevava, famotsim-bola ary kolikoly kosa no antony hihazonana azy ireo. Navotsotra kosa ireo olona roa hafa voarohirohy tamin’ny raharaha

Laisser un commentaire