ActualitésTsidika

Akamasoa : Misimisia ny toa azy, hampivoarana ny maha-olona

Nandritra ny 30 taona mahery i Mompera Pédro Opeka no niasa teto Madagasikara nanavotra olombelona maro tamin’ny alalan’ny asa soa. Asa soa tsy mitaky tambiny fa hanavotana ireo izay tena latsaka ankaterana sy ireo izay tena sahirana an’arivony. Maro ny asa efa vita izay mbola tsy mahasarona ny fahasahiranan’ireo olona anefa izany fa mbola maro ihany ireo miaina anaty tsy fahafahana. Mbola ilainan ny fananganana toerana hafa toy ity na dia efa manana teorana miisa 4 aza ny Akamasoa izay mandray olona an’arivony.

« Manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana dia zary sahirana avokoa ny olompirenena maro. Mbola maro rieo matory amoron-dalana, mbola betsaka ireo mpangataka. Manao ny asany ny ao amin’ny Akamasoa saingy tsy ampy izy io satria ny olona mihitsy no mie-sahirana foana. Mbola amporisihana hatrany ireo olona manana tanjona amin’ny fampivoarana ara-tsosialy amin’ny fananganana toerana tahaka itony. Mandeha tsikelikely toy ny zavatra rehetra ihany izany fa tsy voatery hanangana zavatra iray tonga dia ngeza dia ngeza toy ny Akamasoa », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Mponina.

« Tsara ny manamarika fa olombelona toy ny olombelona rehetra i Père Pedro. Indray andro any izy tsy ho eo intsony, mety misy manohy ny asany fa tsy hitovy intsony. Ny vola mihodina ato dia izy no manana fifandraisana any ivelany any dia izay no hahafahana mahazo vola mampiodina ity toerana ity. Raha izahay zanany ireto tsy mahafantatra olona any dia inona no azonay hatao. Ireo olona rehetra amin’ny “site” mety mahavita ny fiainany aorian’izay fa ireo sahirana mbola eny amoron-dalana ho aiza. Mbola ialina noho ziany ny olona manana eritreritra ny hanangana toerana toy ity mba hanampiana ny hafa ihany koa », hoy i Liva, tompon’andraikitra ao amin’ny Akamasoa raha nanazavan ny mahazava-dehibe itony toerana itony.

Efa manomboka misimisy ihany ny fikambanana miahy ireo sahirana toy ny « Challenge for kids ». Tsy mahasahana ny olona rehetra anefa ireny fikambanana ireny noho ny antony maro toy ny ara-bola. Ilaina fanampiana sy tosika izy ireny noho izany, na avy amin’ny fitondram-panjakana izany na avy amin’ny olom-pirenena rehetra tsy ankanavaka.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire